ANOSIBE AN’ALA NISITRAKA VATSY TSINJO IREO MPONINA

Tsy misy DISTRIKA hadino raha mbola niaran’ny fahavoazana nafitsoky ny rivodoza Batsirai. Nanatanteraka ny adidy nankinina taminy amin’ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo avy amin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, ny Ministra Lefitra misahana ny Tanora tao amin’ny Fokontany Andranotapaka sy Voabola.
Araka ny fenitra napetraka dia 5 kilao isan-tokantrano no anjara amin’ny vidiny 1000 Ar ny kilao. Marihina fa mitondra karinem-pokontany ny fianakaviana izay hividy ny Vatsy Tsinjo, hanamora ny fandaminana.
Maro anefa ireo tokan-trano te hisitraka io 5 kg io kanefa tsy ampy ny ampelan-tanana. Mba hampitovy lenta ny rehetra dia nanome tosika ho an’ireo izay tsy mahefa izany Ramatoa Minisitra lefitra.
NY FITIAVANA NO LEHIBE INDRINDRA.
© VMJ Feb 2022

Autre Articles

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO  Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...