ANDRO IRAISAM-PIRENENA HOAN’NY TOETRANDRO SY ADY AMIN’NY KOLIKOLY

Ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana no olana goavana atrehin’ny zanak’olombelona amin’izao vanim-potoana iainantsika izao.

Mbola eo ihany koa ny kolikoly izay mahakasika ny toeram-piseharana rehetra ary tsy misy afa-miala amin’izany ny ankamaroan’ny firenena erak’izao tontolo izao.

Noho izany dia ilaina fanarenana tanteraka izao tontolo izao vokatr’ireo zava-mandoza ireo. Isika anefa manana fanantenana fa ny Tanora dia hery lehibe afaka manova izany rehetra izany ho amin’ny fanatsarana hatrany ny tontolo sy ny fiarahamonina misy azy ireo.

Izany indrindra no anton’izao fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Toetrandro sy Andro Maneran-tany hiadiana amin’ny Kolikoly izao dia hisy ny fampirantiana izay karakarain’ny « Direction de Civisme, de la Paix et du Developpement Durable – DCPD  » miaraka amin’ireo fikambanana sy vondrona ary Mpandraharaha Tanora maro.

Izany dia hatao eny amin’ny Gymnase ANS Ampefiloha ny Alarobia 08 Desambra 2021

Autre Articles

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO  Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin'ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin'ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo Tanora. Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin'ny Centre d'Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny...

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

SOKAFANA INDRAY AO ANATIN'NY FIFANDRIMBONAN'NY TANORA Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an'Anosibe an'Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran'entana efa simba sy lao efa an-taonany maro. Mandritra izao fandalovan'i Minsitra lefitra...