AMBOHIDRATRIMO: FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notokanana anio Alakamisy 10 Jona 2021, ny kianja manarapenitra tao AMBOHIDRATRIMO, faritra Analamanga.

Mizotra mankany amin’ny fandrosoana tokoa ny firenena raha eo amin’ny lafiny fanatanjahantena no resahina satria dia kianja manarapenitra roa amin’ity kianja ity izao no vita sy notokanana tao anatin’ny fotoana fohy monja.

Kianja izay mahazaka mpijery miisa 1000, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, ary tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano faha 13 nataon’ny Filoha Andry RAJOELINA.

Tonga nanatanteraka izany fitokanana izany ny Filoham-pirenena hajaina Andry RAJOELINA izay notronin’ny Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny Governoran’Analamanga, ny Ben’ny Tanàna ao Ambohidratrimo, sy ireo Ben’ny Tanàna maro hafa.

Nandritra ny lahateniny, Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, TINOKA Roberto, dia nanolotra fisaorana sy fankatelemana ho an’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA noho izao fotodrafitrasa manarapenitra izao, izay afaka mandray lalao iraisam-pirenena. « Voninahitra lehibe izao fampitovian-jo ny zanaka malagasy sy ny mpitia fanatanjahantena izao satria samy zanakao izy ireo », hoy izy. Nitondra hafatra ho an’ny Ben’ny Tanànan’ Ambohidratrimo sy ny vahoakany ihany koa ny tenany amin’ny tokony hikojakojana sy hanajana ity kianja manarapenitra ity. Ary nohamafisiny fa fitantanana  telo lafy no hiandraikitra ity kianja ity, izany hoe ny  Ministera ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Governora ary ny Kaominina .

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Filoham-pirenena no nanehoany ny hafaliany sy fahavononany hanohy ny ezaka rehetra efa vita hatrizay ho fampandrosoana ny tontolon’ny fanatanjahantena amin’ny faritra rehetra.

 « Tsy maintsy mandroso Madagasikara, ary anisan’izany ny distrika », hoy izy.

Taorian’izay, dia niarahaba sy nirary soa ny mpilalao sy mpanazatra ary  mpitantana ny Barea manokana ny tenany, ary nisaotra azy ireo tamin’ny ezaka izay efa nataon’izy ireo.  « Ny Fitondram-panjakana sy ny vahoaka malagasy tsy vaky volo dia ao an-damosinareo Barea ary manohana anareo hatrany ».

Teo am-pamaranana dia nanolotra fanamiana sy baolina ho an’ny mpanao fanatanjahantena ny Filoha ka ny Ben’ny Tanàna no hisahana ny fizarana izany.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...