AMBOARAN’NY KAOFEDERASIONA : HIATRIKA NY LALAO MIVERINA ANY ZAMBIE NY CFFA

Hiatrika ny lalao miverina an’i Lusaka ny Alahady izao ny CFFA izay hifanandrina amin’ny Kabwe Warriors Zambie ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaofederasiona. 

Nanome ny tapakilan’ny fiaramanidina ho an’ireo delegasiona mandrafitra ny  CFFA ny fitondram-panjakana ary mandray an-tanana  ny ampahany amin’ny fivahinianan’izy ireo an’i Lusaka, Zambie.

Noraisin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel tetsy Ambohijatovo ireo delegasiona  mandrafitra ny CFFA izay  notarihan’ny filohan’ny Klioba Andriamatoa RAKOTOARIMANANA Henintsoa  na Tôta.

Nitso-drano azy ireo  Andriamatoa Minisitra mba hitondra vokatra tsara, hitondra avo ny baolina kitra, mba hiverenan’ny ambompom-pirenena satria soa toavina amin’ny maha malagasy antsika izany ary nanolotra vatsin-dalana izy ho entin’ny delegasiona miatrika izany lalao izany.

Vonona haka ny tapakila ny CFFA hiakarana amin’ny dingana manaraka hoy hatrany i Tôta Filohan’ ny CFFA izay nisaotra ny Filoham-pirenena sy ny Minisitra ary nampanantena ny hitondra fandresena.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...