AMBATONDRAZAKA : FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nanohy ny fidinana ifotony teto Ambatondrazaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI, anio 05 Novambra 2021. Nanao fitsidihana ara-teknika ny Kianja Manarapenitra Andriamatoa Minisitra nandritra izany, ary notronin’ireo olom-boafidy sy manam-pahefana tao an-toerana.

Araka ny tombana, dia hita fa manaraka ny fenitra ity fotodrafitrasa ity ary efa mamaraparana ny asa.

Taorian’izay dia nihaona tamin’ireo mpiara-miasa teo anivon’ny Fitalevam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny tenany amin’ny fomba hanatsarana ny asa. Nambarany fa amin’ny alalan’ny fanatanjahantena no hamerenana ny hambompom-pirenena araka ny voalazan’ny velirano faha 13.

Samy nandray anjara fitenenana ireo mpiasa teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Alaotra Mangoro nilaza ireo hetaheta entina hampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena ary nampanantena izy fa hiezaka hamaha miandalana ny hetahetan’izy ireo.

Nambarany ihany koa fa mila miasa sy miezaka ny tsirairay mba ahafahana mampiroborobo ny departemantan’ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...