AMBATONDRAZAKA : FITSIDIHANA NATAON’DRAMATOA MINISITRA LEFITRA MISAHANA NY TANORA.

Nanohy ny fidinana ifotony tany Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro toy izay efa nataony tany amin’ireo faritra hafa ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora, Ramatoa Juliana RATOVOSON, anio 28 Aogositra 2021.

Nandritra ny fandalovany dia nisy ny fihaonany tamin’ireo manam-pahefana tao an-toerana izay niresahana momba ny paikady apetraka ho fampandrosoana ireo tanora zanaky ny faritra, izay ao anatin’ny laharampahamehan’ny fitondram-panjakana.

Tonga nanome voninahitra ihany koa ny Foara kaominaly izay nisokatra tamin’ny fomba ofisialy anio izy ary nitsidika ireo trano heva isan-karazany. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony dia nanambara izy fa akaiky ny fony ny tanora rehetra ary ny filoham-pirenena dia manome lanja ny tanora.

Tsy diso anjara ireo tanora tao Ambatondrazaka nandritra izao fandalovan’ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora izao satria dia nisy ny fihaonany tamin’ireo tanora, fotoana izay nahafahan’ireo tanora nitondra ny hetahetan’izy ireo.

Tsy adinony ihany koa ny nandalo tao amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Alaotra Mangoro, ary nandritra izany no nanolorany solosaina miisa enina ho ampiasaina ho fampandehanana ny asa.

Nanambara izy fa ho fanamby ny hanatsarana ny Tranoben’ny Tanora eto Ambatondrazaka ary hojerena akaiky ny mahakasika izany.

Teo am-pamaranana dia nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo tanora nahavita fiofanana informatique nokarakarain’ny Association AJED MADA, sy ireo nahavita fiofanana mahakasika ny famoronana asa sy fananganana orinasa izay noentin’ny orinasa TourDAlaotra izay samy natao tao amin’ny Tranoben’ny Tanora Ambatondrazaka.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...