
JUDO : LALAO IADIANA NY TOMPONDAKAN’NY AFRIKA ETO MADAGASIKARA
Notanterahina androany 17 desambra 2020 ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Lalao afrikana andiany faha-41 iadiana izay ho tompondaka eo amin’ny taranja Judo.
Ny Filoha lefitry ny fikambanan’ ny Judo eto Afrika , Andriamatoa Mohamed MERIDJA no nanokatra izany lanonana izany tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Nohamafisin’ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny Judo Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO fa ity andro ity dia natokana ho an’ireo mpankafy ny taranja Judo. Ary Madagasikara dia miezaka mandrakariva mametraka ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny lafiny fikarakarana.
Andriamatoa Lovatiako RALAIVAO Sekretera Jeneralin’ ny Minisitera ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra, dia nanasongadina ny fahavononan’i Madagasikara tanteraka tamin’ny fandraisana ny lalao teto Antananarivo, nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony.
Mandritra ny efatra andro no hanatanterahana ny lalao.
Marihana fa ny Federasiona Malagasy ny Judo no nanatanteraka ny fanomanana ary 18 no isan’ireo Judokas malagasy hisolo tena an’i Madagasikara.
Firenena afrikanina 33 no mandray anjara amin’ity fifaninana ity izay ahitana an’i Algérie, Angola, Bénin, Botswan,Burkina Faso , Burundi, Cameroun, Cap Vert-République Centrafrique, Tchad, Côté d’Ivoire ,RD Congo, Djibouti, Égypte, Gabon,Gambie, Ghana, Guinée- Guinée-Bissau, Libye , Malawi, Mali, Maurice, Maroc, Mozambique, Niger, Nigéria, Sénégal, Afrique du Sud, Togo, Tunisie, Zambie ary Madagasikara.
Ny fandraisana Lalao iraisam-pirenena toy izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Federasiona Malagasy ny Judo sy ny Fitondram-panjakana izay manampy mandrakariva ny tontolon’ny fanatanjahan-tena.
41ème CHAMPIONNAT D’AFRIQUE DE JUDO À MADAGASCAR
L’ouverture officielle de la 41ème Édition du Championnat d’AFRIQUE de Judo s’est tenue dans la journée du jeudi 17 décembre 2020 au Palais des Sports de Mahamasina, Antananarivo.
Le vice président de l’Union Africaine de judo, Mr Mohamed Morija, a déclaré l’ouverture officielle dudit Championnat.
A travers son discours, le Président de la Fédération Malagasy de Judo, M. Siteny RANDRIANASOLONIAIKO, a confirmé que cette journée est dédiée aux amateurs de judo et que Madagascar garantie le respect des normes sur les barrières sanitaires.
Lors de son allocution, M. Lovatiako RALAIVAO, Secrétaire Général du Ministère de la Jeunesse et des Sports et représentant Monsieur le Ministre, a exprimé la volonté de Madagascar à accueillir ce championnat et la qualité de l’organisation qui respecte le norme international.
Le championnat durera quatre (4) jours, du jeudi 17 au dimanche 20 décembre 2020.
18 judokas malagasy vont représentés la nation.
Les 33 pays qui vont participer sont:
Algérie, Angola, Bénin, Botswan,Burkina Faso , Burundi, Cameroun, Cap Vert-République Centrafrique, Tchad, Côté d’Ivoire ,RD Congo, Djibouti, Égypte, Gabon,Gambie, Ghana, Guinée- Guinée-Bissau, Libye, Madagascar, Malawi, Mali, Maurice, Maroc, Mozambique, Niger, Nigéria, Sénégal, Afrique du Sud, Togo, Tunisie, Zambie.
L’acceuil et l’organisation des compétitions internationales comme celle-ci est le résultat d’une étroite collaboration entre la Fédération Malagasy de judo et l’Etat Malagasy qui a toujours soutenu le Sport à Madagascar.