
Tsy afa-misaraka amin’ny fampandraisana andraikitra ny tanora ny fampandrosoana ny firenena.
Noho izany nandroso vahaolana amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjariana ara-tsakafo aty atsimo ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena izay tantanin’Atoa TINOKA Roberto nampiditra ato anatin’ny fandaharan’asa « Pole-emploi jeune » ny fambolena balahazo(mangahazo) sy ny famadihana izany ho GARI, izay sakafo ara-pahasalamana sy be otrikaina.
Velaran-tany mirefy 9 Ha ao amin’ny Kaominina Maroaloke, Antaritarike sy Talaky-bas no ho volen’ny tanora balahazo. Hisy fampitaovana milina hoan’ireo kaominina ireo hahafahana mamadika ny vokatra azo ary hanamparitahana an’izany manerana an’i Madagasikara.