Notanterahina anio ny famoahana ara-pomba ofisialy ireo Mpampianatra- Mpanabe ara-panatanjahantena nandrato fianarana teo anivon’ny Académie Nationale des SPORTS, misalotra ny anarana « ANDIANY MENDRIKA ».
Miisa 156 ireo mpianatra notolorana ny mari-pahaizana maha mpanabe ara-panatanjahantena anio Zoma 29 Janoary 2021 tao amin’ny Kianja mitafo ANS Ampefiloha. Aorian’izao dia hiparitaka manerana ny nosy izy ireo ary hiasa avy hatrany eny anivon’ireo sekoly ambara tonga faharoa.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Sekretera Jeneraly ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay notronin’ireo Tale mpiara-miasa sy ireo mpampianatra avy ao amin’ny ANS.
Tsiahivina fa ny taona 2018 no namerina nanolotra fiofanana mikasika ny Mpampianatra Mpanabe ara-panatanjahantena indray ny Ministeran’ny ny Tanora sy ny Fanatanjahantena manoloana ny fahabangan’ny isan’ireo Mpampianatra taranja fanatanjahantena eny anivon’ireo sekoly araka ny fanadihadiana navoakan’ny UNESCO sy ho fampiharana ny drafitrasa KAZAN ho fanomezan-danja ny taranja ara-panatanjahantena izay fanamby napetraky ny fitodram-panjakana.
ACADÉMIE NATIONALE DES SPORTS: SORTIE DE PROMOTION DES MAÎTRES ET MAÎTRESSES D’EDUCATION PHYSIQUE ET SPORTIVE
Sortie officielle de la promotion « Mendrika » au sein de l’Académie Nationale des Sports (ANS) Ampefiloha.
La cérémonie a été honorée par la présence de Monsieur le Secrétaire Général du Ministère de la Jeunesse et des Sports RALAIVAO Lovatiako, ainsi que les différents directeurs et professeurs au sein de l’ANS.
Ce 29 janvier 2021, après avoir suivi une formation de 2 ans au sein de l’Académie Nationale des Sports, 156 étudiants ont été diplômés en tant que Maître et Maîtresse d’EPS.
Après leur sortie ils seront réparties dans différentes écoles d’Enseignement Secondaire. À noter qu’en 2018, le Ministère de la Jeunesse et des Sports a de nouveau dispensé une formation aux éducateurs sportifs vu le manque d’effectifs de ces éducateurs au sein des établissements scolaires, une statistique évaluée par l’UNESCO, à savoir aussi en parallèle la mise en œuvre du projet KAZAN, qui est l’un des défis lancés par le gouvernement afin de valoriser le domaine du sport.







