EKLIPSA 1 SEPT 2016 : FANENTANANA @ FANAOVANA SOLOMASO FIAROVANA

 

Tompoko,

Mba ahafahan’ny malagasy mihanoka  ny eklipsa mandritry ny andron’ny 01 septembre am-pitoniana izay tsy hiverina intsony raha tsy afaka 50 taona indray, ny MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA dia mangataka ny fiaraha-miasa avy amintsika amin’ny fampitana izao hafatra izao any amin’ireo rafitra ananantsika : JPE, Tanora Garan’teen, ekipa DRJS, DelJS…

Entanina ny tanora sy ankizy, ny ray aman-dreny sns…mba  hanao ny solomaso fiarovana voatokana hijerena izany hisorohana ireo  fahasimban’ny maso  izay mety tsy ho azo sitranina.

Ho anareo any amin’ny faritra ( DRJS, JPE…) : afaka manatona ny Médecins Inspecteurs eny an-toerana maka ny afisy sns…sy ny andinindininy.

Toerana sy fotoana hitrangany :

Alakamisy 01 septambra 2016, maharitra ora 3;

– MAHAJANGA sy TOAMASINA: eklipsa feno ( éclipse total) : 10 ora 47min – 2 ora folak’andro 24min;

– ANTANANARIVO, TOLIARY : eklipse ampahany ( éclipse partiel), izay tena mila fiarovana ihany koa : 10 ora 56min – 2 ora folak’andro 29 min;

Toerana azo ividianana ny solomaso :

Fivarotam-panafody ( pharmacie, dépôt de médicaments), stations service, grandes surfaces/supermarchés, opticiens.

NB: Afaka mampan-dre ny manam-pahefana akaiky izay mahita mpivarotra tsy voalaza etsy ambony.

Vidiny : 1500ar

Ny MIN.SANP. dia efa miezaka mandresy lahatra mpandrahara ekonomika hividy ho zaraina an’ireo tsy manana fahefa-mividy sy monina alavitra.

Mankasitraka indrindra amin’ny fiaraha-miasa.