MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIARAHABANA AN’ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO

FIARAHABANA AN’ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO
 Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon’ireo staff eto anivon’ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin’ny maha Ray aman-dReny eto anivon’ny Ministera ny tenany.Izany dia narahin’izy ireo tso-drano sy fankaherezana mba ahafahany hahatontosa ny adidy sy andraikitra nankinina taminy ao anatin’ny fahasalamana amin’izao taom-baovao izao.
Naneho ny fahavononana hifanome tanana sy hanome ny tsara indrindra hanatratrarana ny vina ho an’ny taona vaovao ary hanamafy sy hanatsara hatrany ny ezaka eo amin’ny fampandehanana ny asa eo anivon’ny Ministera ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny toniam-pitantanana ary nanome toky fa hanentana ireo mpiara-miasa amin’ny tsirairay avy , isan’ambaratongany hiaraka hientana sy hampitovy ny fomba fijery.
Nisaotra sy nankasitraka ny amin’izao fihetsika maha te hidera nasehon’izy ireo izao Atoa Ministra ary nirary soa ny rehetra ka manentana ny mpiara-miasa rehetra mba samy hanao fanamby lehibe ny tsy maintsy hahavitan’ireo hetsika iraisam-pirenena lehibe izay ho tanterahina eto Madagasikara amin’ity taona ity na mahakasika ny tanora izany na mahakasika ny fanatanjahantena.

Autre Articles

World Hindi Day-2025

World Hindi Day-2025

Minister of Youth and Sports H.E. Mr. Abdulah Marson Moustapha, Minister of Technical Education and Vocational Training H.E. Marie Marcelline Rasoloarisoa, and other dignitaries graced the celebrations of "World Hindi Day-2025" in Antananarivo Madagascar today. India...

LA JEUNESSE GARANT DE LA PAIX ET DU PROGRÈS

LA JEUNESSE GARANT DE LA PAIX ET DU PROGRÈS

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin'ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin'ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo Tanora. Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin'ny Centre d'Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny...