FIFAMINDRAM-PAHEFANA

Tontosa androany faha 23 Aogositra 2024, tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahanena Mahamasina ny fanaovan-tsonian’ny fifamindram-pahefana sy fifanolorana ny antontan-taratasy ara-panjakana mahakasika ny Ministeran’ny Tanora Sy Ny Fanatanjahantena teo amin’ny Minisitry ny Tanora Sy ny Fanatanjahantena vaovao Andriamatoa Abdulah Marson Moustapha sy ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famatarana ny Toetrandro, Andriamatoa Valéry RAMONJAVELO, izay minisitra mpisolo toerana teo aloha.
Nandritra ny lahateniny, Andriamatoa Valéry RAMONJAVELO, dia niarahaba ny Minisitra vaovao ahaleo ahalasana amin’ny fitantanana ny Ministera . Ary tsy adinony ny nisaotra ireo tompon’andraikitra rehetra isan’ambaratongany eto anivon’ny ministera tamin’ny fiaraha miasa. Nisaotra ny Minisitra teo aloha, André Haja RESAMPA ihany koa izy tamin’ny asa izay nodimbiasany.
Etsy andaniny, ny Minisitra vaovao dia nankasitraka ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra NTSAY Christian tamin’ny fahatokisana’izy ireo ary nanendreny azy amin’izao andraikitra izao.
Misokatra ho an’ny rehetra ny ministera hoy ny tenany satria vina sy tanjona iray no ho tratrarina dia ny hanangana hoavy mamiratra ho an’ny tanora malagasy. Manolo tena amin’ny asa hentitra ihany koa izy, ary hampiroborobo ny Fanatanjahanena ho ambopom-pirenena.
Teo ampamaranana dia nanome toky Andriamatoa Minisitra Abdulah Marson Moustapha fa vonona ny hanoy ny asa rehetra ary hamita ireo natao hanandratana hatrany fanatanjahantena sy hampiroborobo ny tanora malagasy.