FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon’ny biraon’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan’ ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah.
Nambarany taorian’izany fa zava-dehibe izao fanaovana fanambaram-pananana izao izay voafaritry ny didy aman-dalàna tokony tanterahin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta ary nanentana ireo mpiara-miasa aminy izay voakasika izany ny tenany.
Nohamafisiny fa anisany lalana hanatratrarana ny vina sy ny tanjona izay napetraka,dia ny fitantanana mangarahara.
Fanambaram-pananana izay anisan’ny paikady oentina iadiana amin’ny kolikoly eto Madagasikara.
Tonga nanotrona azy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera.
Mahakasika ny fandaharam-potoanany dia nambarany fa amin’ity faran’ity herinandro ity dia hisy ny fitsidihana izay ho atao any Betafo sy Toamasina hijerana ny fizotrin’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena.