Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara.
Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon’ny Nosy ity.
– Medaly volamena: 121
– Medaly volafotsy: 71
– Medaly alimo: 80
Nanamarika ity lanonam-pamaranana ity ny fampitana ny fanilon’ny Lalaon’ny Nosy ho an’ny Nosy Comores izay handray ny andiany faha 12 amin’ny taona 2027.
Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA sady Filohan’ny Komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy (COJI) dia manolotra ny teny fisaorana:
– ho an’ireo Atleta rehetra
– ho an’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra
– ho an’ireo mpilatsaka antsitra-po
– ho an’ireo nanome tanana sy fanampiana nahatontosa ny Lalaon’ny Nosy
Ny firaisan-kina no hery lehibe nahatontosana izany ary amin’ny alalan’ny Fanatanjahantena no hamerenana indray ny ambompo-pirenena.
Tonga nanotrona izany lanonam-pamaranana izany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy Ramatoa vadiny, ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, ireo lehiben’ny Andrimpanjakana ary ireo olo-manankaja maro samihafa.
« Fandresena anaty firaisan-kina sy fahasamihafana »
« Ensemble pour une victoire dans l’unité et la diversité »