LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara.

Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon’ny Nosy ity.

– Medaly volamena: 121

– Medaly volafotsy: 71

– Medaly alimo: 80

Nanamarika ity lanonam-pamaranana ity ny fampitana ny fanilon’ny Lalaon’ny Nosy ho an’ny Nosy Comores izay handray ny andiany faha 12 amin’ny taona 2027.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA sady Filohan’ny Komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy (COJI) dia manolotra ny teny fisaorana:

– ho an’ireo Atleta rehetra

– ho an’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra

– ho an’ireo mpilatsaka antsitra-po

– ho an’ireo nanome tanana sy fanampiana nahatontosa ny Lalaon’ny Nosy

Ny firaisan-kina no hery lehibe nahatontosana izany ary amin’ny alalan’ny Fanatanjahantena no hamerenana indray ny ambompo-pirenena.

Tonga nanotrona izany lanonam-pamaranana izany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy Ramatoa vadiny, ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, ireo lehiben’ny Andrimpanjakana ary ireo olo-manankaja maro samihafa.

 

« Fandresena anaty firaisan-kina sy fahasamihafana »

« Ensemble pour une victoire dans l’unité et la diversité »

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BOXE

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BOXE

Medaly volamena1 ary medaly volafotsy 1 no azon'ny Malagasy teo amin'ny taranja boxe mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanatrika sy nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady Minisitra mpiahay...