BASKET-BALL 3×3 : FITSENANA IREO ATLETA NANDRAY ANJARA TAMIN’NY FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

Tonga soa an-tanindrazana ny 06 desambra 2022 ireo ekipam-pirenena Malagasy izay niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja Basketball 3×3 notanterahana tany le Caire, Egypte.

Miarahaba manokana ireo Atleta sy ny mpanazatra izay nitondra avo ny voninahi-pirenena nandritra izany fifaninanana izany. Arahabaina ihany koa ny Federasiona Malagasy ny taranja Basket ball amin’izao vokatra tsara izao.

Tonga nitsena azy ireo teny Ivato ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto sy ny mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Minisitera.