
Tontosa ny 17 novambra 2022 tao amin’ny Carlton Anosy, ny lanonana ara-pomba ofisialy namoahana ireo tanora vehivavy, izay niofana amin’ny fampiroboroboana ny vehivavy eo amin’ny sehatra fahaiza-mitantana ara-demokratika, ny zon’ny maha olona ary ny fahaizan’ny olom-pirenena mandray anjara anaty fitoniana. Hetsika izay nokarakarain’ny Institut Electoral pour une Démocratie Durable en Afrique (EISA).
Tanora vehivavy miisa telo amby roapolo (23) izay mitondra ny anarana “Tsara Joro” no nisitraka izao fiofanana izao. Ny tanjon’ity fiofanana ity dia ny ahafahan’izy ireo mampiroborobo sy mampirisika ny fifidianana mari-pototra, ny fandraisana anjara ara demokratika, fampahalalana ny zo maha-olona ary fanamafisana ireo ivo-toerana miandraikitra sy misahana ny demokrasia eto Afrika.
Tonga nanotrona izany, Ramatoa Tsikitsiky Razanamasy, Directeur Général de la Jeunesse .
Nandritra ny lahateniny dia nirary soa ireto andiany ireto ahaleo ahalasana ary ahefa be amin’ny fampandrosoana ny firenena. “Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara, ary ny hazo no tsara joro, misy andry iankianana tsara” hoy hatrany ny tenany.