TARANJA ATLETISMA : CATO CLUB BEZAHA

Tonga nijery ireo atleta 6 mianadahy avy ao amin’ny CATO CLUB Bezaha ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto ny 8 septambra 2022 ary avy hatrany dia nandray ny andraikitra mahakasika ny fodian’ireto atleta izay tokony hamonjy ny toeram-podiana raha avy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara teto Antananarivo.

Nandray an-tanana ny fakana ireo atleta ireo ny Minisitera nanomboka omaly hariva, ka nafindra toerana tao amin’ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha izy ireo ary alefa hody any Bezaha anio tolakandro.

Nambarany fa mampalahelo ny zavatra toy izao, ary tsy tsara ny hiverim-berenany.

“Ray aho hoy Andriamatoa Minisitra ka tsy izaho mihintsy no tsy hijery azy ireo”

Nifantoka tamin’ny fanazavana ny rafitra misy sy ny andraikitrin’ny Minisitera sy ny Federasiona manoloana izao toe-javatra izao no valan-dresaka izay niarahana tamin’ny mpanao gazety.

Nandritra izany no nanazavan’ Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto fa manana rafitra mahaleo tena ny Federasiona, ny Ligy, ny Section ary ny Klioba. Ny fanaovana “CHAMPIONNAT NATIONAL” dia ny Federasiona tanteraka no miandraikitra izany ary tsy mitsabaka amin’ny fikarakarana ny Minisitera.

Misy ny fandaminana napetraka ary handraisana fepetra mba tsy hiverenan’ny toe-javatra toy izao intsony.

Nilaza ny Filohan’ny Federasiona fa ny klioba no tompon’andraikitra amin’ny saran-dalana mandroso sy miverina ary sakafo rehetra fa ny Federasiona kosa no miandraikitra ny rehetra momba ny Fifaninanana.

Manomboka izao dia misy ny fanaovana taratasy fifanarahana eo anivon’ny DRJS sy ireo klioba izay handray anjara amin’ny fifaninanana rehetra, izay fandaminana hapetraka hiarahan’ny Minisitera sy ny Federasiona mba hialana amin’izao toe-javatra toy izao.