FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY ” CARREFOUR DE RUGBY” NA NY IVOTOERANA NATOKANA HO AN’NY MAKIS LADIES 7S

Notanterahana ny 23 jona 2022 tetsy amin’ny Arkadia Analakely ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny ivontoerana natokana ho an’ny Makis vehivavy (Makis Ladies) ho an’ny taranja baolina lavalava lalaovin’olona fito (7).

Natao izany ho fampahafantarana ireo Makis vehivavy izay hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, izay hotanterahana any Afrika Atsimo amin’ny volana septambra ho avy izao.

Nisy ny fanentanana ho an’ny rehetra amin’ny fanohanana na tolotanana ho an’ireto maherifontsika ireto hahatontosa izany tanjona izany.

Tonga nanome voninahitra izany ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto nandritra ity lanonana ity.