TARANJA FOOTBALL: BAREA U23

Notontosaina ny 11 Jona 2022 tetsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny lalao miverina izay nifanandrinan’ ny Barea U23 sy ny ekipam-pirenena Maorisy .

Nisaraka ady sahala tamin’isa 01 noho 01 ity lalao ara-pirahalahina izay fanomanana sahady ny fifanintsanana CAN 2023 sy ny “Jeux Olympiques 2024” ity.

Tonga nanome voninahitra izany lalao izany ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY sy ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera nisolotena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ary ny Tale kabinetran’ny fiadiadian’ny Repobkila, Ramatoa BAOMIAVOTSE Vahinala Raharinirina.