TARANJA FOOTBALL: BAREA U23

Notontosaina ny Alakamisy faha-09 Jona 2022, tetsy amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus Stadium ny lalao ara-piralahina izay nifanandrinan’ny Barea U23 sy ny ekipam-pirenenan’i Maorisy

Naharesy tamin’ny isa 2 noho 1 i Madagasikara nandritra ity lalao voalohany ho fanomanana ny fifanitsanana CAN 2023, sokajy U23 sy ny “Jeux Olympiques 2024” ity

Tonga nanotrona sy nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, niaraka tamin’ireo Tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Minisitera.