TETIKASA MIVOATSE : DISTRIKAN’I MAHABO , FARITRA MENABE

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 27 May 2022, tao Mahabo ny Tetikasa MIVOATSE izay tetik’asan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA hiarahana miasa amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ireo Minisitera isan-tsokajiny entina hanampiana ny tanora sy tantsaha eny ifotony mba ho fanatrarana ny Velirano faha-6 ( Asa mendrika ho an’ny rehetra ) sy ny Velirano faha-9 ( Fahavitan-tena ara-tsakafo) .

Ho an’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena, izay tarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, dia efa mipetraka ny paikady mazava ho fanatanterahina izany :

TETIKASA FANOITRA ( Famatsiam-bola sy fanampiana ny tanora mpandraharaha mba haharitra amin’ny asa ataony ) , fampananana asa ho an’ny Tanora , Famoronana kolontsaina mpandraharaha ary ny Fahasalamana ara-pananahana ho an’ny tanora .

Nisy ny fitsidihina ireo trano evam-pampiratiana isan-karazany .

Tamin-kafaliana no nanambarana fa tsy ho latsa-danja amin’ny hafa ny distrikan’i Mahabo, ka hahazo KIANJA MANARA-PENITRA, ary nisy avy hatrany ny fijerena ifotony ny toerana hanaovana izany androany.