FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY MASOIVOHON’NY REPOBLIKA ENTIM-BAHOAKAN’I SINA MIASA ETO MADAGASIKARA.

Tonga nitsidika am-panajana an’ Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny masoivohon’ny Repoblika Entim-bahoakan’ny Sina miasa eto Madagasikara, SEM GUO Xiaomei, ny alakamisy faha 07 Aprily 2022, teto Ambohijatovo.

Nandritra ny fandraisany fitenenana no niarahaba an’Andriamatoa Ministra amin’ny fitantanana indray ny Ministera,

ary nanehoany ny fahavononana hanohy ny fiaraha miasa nisy teo amin’ny firenena roa tonta amin’ny alalan’ny Fanatanjahantena.

Nandritra io fihaonana io no nampatsiahivin’Andriamatoa Minisitra ny fiaraha-miasa rehetra efa nisy, toy ny fandefasana mpanao fanatanjahantena niofana tany Chine ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy tamin’ny taona 2019, fanomezana « matériels sportifs », fandefasana manam-pahaizana ara-panatanjahantena, nampiofana ireo mpanazatra sy mpitantana.

Nisaotra ny Ambasadaoro sy ny Repoblika Entim-bahoakan’ny Sina tamin’ny fanampiana nisy hatramin’izay, Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ary manantena ny hitohizan’izany hatrany, indrindra amin’izao hankatokin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy izay Madagasikara no hampiantrano azy.

 

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...