| Ny asabotsy faha 11 Desambra teo dia niaraka tamin’ireo « Femmes leaders » teto Moramanga aho namarana ny 16 andro iadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy na ny 16 jours d’activisme.
Misy karazany ny herisetra izay atrehin’ny vehivavy sy ny zatovovavy, toy ny herisetra ara-moraly, ara-ekonomika, ara-batana, ara-nofo, herisetra amin’ny fomba fiteny, sns. Ndao isika tsy hanaiky ny herisetra ka hiara-hiady amin’izany. Ho vehivavy miavotse lavitry ny herisetra. Hametraka fiarahamonina hanjakan’ny filaminana miainga isan-tokantrano.
|
Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao
FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...












