FIOFANANA SY FAMPIOFANANA TANORA MANKANY IVELANY

Manan-talenta sy fahaizana amin’ny lafiny maro ny Tanora Malagasy ary mamiratra hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho amin’ny fahafahana misehatra eo amin’ny iraisam-pirenena dia tsy maintsy ampahafantarina avokoa ary ampitoviana ny Tanora rehetra mba samy afaka handray anjara avokoa.

Ny « Article 13 » ny « Charte Africaine de la Jeunesse » momba ny fampiroboroboana ny fampianarana sy ny fahaiza-manao dia milaza fa « Ny firenena izay mandray anjara amin’ity fifanarahana ity dia nanaiky hametraka fomba maromaro fisitrahana fampiofanana sy fanatsarana ny fahaizamanao, ao anatin’izany ny fahafahana misitraka drafipam-pianarana ivelany fampiofanana tranainy. »

Mba hahafahan’ny Tanora Malagasy rehetra tsy ankanavaka mandray anjara amin’izany sehatra izany dia nandray ireo Masoivohon’ny Tetikasam-piofanana, Vatsim-pianarana ho an’ny ambaratonga ambony izay ao anatin’ny fametrahana sy fampahafantarana ireo tolotra iraisam-pirenena afaka atao izay mifandraika amin’ireo fepetra takian’izy ireo tsirairay avy.

Nandritra ny fifanakalozankevitra natao dia samy resy lahatra ny rehetra ka dia isaorana ireo mpiara-miombon’antoka rehetra.

1) AASEC ou Association des Alumni et Stagiaires de Chine

2) A3-Mada ou Australia Alumni Association

3) YALI Regional Leadership Center Southern Africa

4) The Tony Elumelu Foundation

5) African Union (Youth Envoy)

6) The Anzisha Prize

7) Women In Africa

8 ) Atlas Corps

9) Obama Foundation

10) Chevening Awards (FCDO)

Isaorana mialoha izy ireo amin’ny fahafoizantenany sy ny zotompo hiara-hiasa amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena amin’ny fanatrarana ireo tanjona izay napetraka.

Raha malagasy ianao, Alumni tamin’ny sehapiofanana iraisam-pirenena ka tsy tafiditra ao anatin’ireo lisitra ireo dia aza misalasala mifandray aminay fa tena mila ny fiaraha-miasa aminao izahay.

#MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #DJRI #JeunesseEngagée #RayonnementInternational #JeunesseMalagasy

#AASEC #3A_Mada #YaliRlcSa #TEF #AnzishaPrize #WIA #AtlasCorps #UA #YouthEnvoy #ObamaLeader #Chevening

 

Autre Articles

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO  Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin'ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin'ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo Tanora. Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin'ny Centre d'Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny...

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

SOKAFANA INDRAY AO ANATIN'NY FIFANDRIMBONAN'NY TANORA Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an'Anosibe an'Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran'entana efa simba sy lao efa an-taonany maro. Mandritra izao fandalovan'i Minsitra lefitra...