MENABE : FITSIDIHANA NY FITALEOVAM-PARITRY NY TARONA SY NY FANATANJAHANTENA.

Tonga nitsidika ny fitaleovam-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena ao Menabe ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel sy ny mpiara-miasa eo anivon’ny ministera foibe.

Nandritra izao fandalovany izao dia nitafatafa tamin’ireo mpiara-miasa tao an-toerana ny tenany ary nanolotra solosaina (ordinateurs) ho an’ny fitaleovam-paritra mba ahafahana manatsara ny asa ataon’izy ireo.

Teo am-pamaranana dia nijery ny efitrano lehibe ao amin’ny biraon’ fitaleovam-paritra izay mila fanamboarana ary nijery ny kianja baskety izay efa vita tanteraka.