CJSOI : Fizarana mari-pahazaina ho an’ireo nihofana ho mpanazatra atleta tanora manana fahasembanana eto anivon’ny ranomasimbe Indiana.

Ho fikarakarana ny lalaon’ny Vaomieran’ny Tanora sy Fanatanjahan-tena eto amin’ny Ranomasimbe indianina na CJSOI izay hatao atsy amin’ny Nosy Maorisy ny 2022 dia nisy ny fanofanana ireo mpanazatra ireo atleta tanora manana fahasembananana tamin’ny fomba nampitain-davitra mikasika ny lohahevitra: “Mpanazatra ara-batana sy ara-tsaina”.

Naharitra 4 andro ny fiofanana izay natao ny 16 ka hatramin’ny 19 Martsa 2021.

Ity fiofanana ity dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Nosy Maorisy, ny CJSOI ary ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena avy amin’ireo firenena mpikambana CJSOI.

 62 ny mpandray anjara avy amin’ny firenena mpikambana dia Comores, Djibouti, Madagascar, Maurice, Mayotte, Réunion ary Seychelles. Ary mpanazatra 6 no Malagasy izay ahitana an’i:

-Ange Aimable RAJAONAH

– Arnaud Francky RAJONSON

– RAZAFIMAHANDRY Fanomezantsoa Olivier

– Fenihasina RAJAONARIVELO

– ANDRIANAIVO Nirina

– ANDRIAMAHAVONJY Remis Aristide.

– José Emmanuel RAJAONAH

Ny fanolorana mari-pahaizana ireo mpanazatra ireo dia notontosaina anio 23 septambra 2021, izay samy nanolotra ny  azy tamin’ny fomba nampitain-davitra ny firenena nandray anjara. Nanatrika izany, nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahatena Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY sy ireo tale isan-tsokajiny teo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary nanolotra ireo mari-pahaizana.