
Nandritra ny fitsidihana nataon-dRamatoa Juliana RATOVOSON, Minisitra lefitra misahana ny Tanora tao Sambava dia nisy ny fihaonany tamin’ireo Tanora ka nisy ny hafatra izay nampitainy azy ireo nandritra izany.
« Afaka havadika ho « Force » ny Tanora, ho Fanoitra miara-mampandroso fa tsy vesatra hatrany.
Fanovana toe-tsaina no tena ilain’ny tanora, mila manova fomba fijery, manana fijery miabo, manana vina sy tanjona, matoky tena fa afaka mahavita zavatra sy manova ny fiaraha-monina ho tsaratsara kokoa, ary mametraka tombam-bidy ka afaka mamorona.
Matetika ny tanora variana amin’izay tsy mahasoa, mifanenjika, manambany tena, miandry asa, mipetra-potsiny, mirona amin’ny ratsy, …
Nefa misy azo trandrahina ao aminy ao, misy talenta afaka hahiratra ao ho famoronana asa, misy andraikitra tokony ho raisina an-tsitrapo ao hamahana ny olana eo amin’ny fiarahamonina.
TSY ADINOKO isaky ny fidinana ifotony ataoko ny mampianatra ny tanora sy manokatra ny maso sy ny fisainan’izy ireo fa misy dingana mila andehanana ary mila MANOMBOKA. Tombony tokoa ny lalana nodiavina sy ny fahasarotana natrehina, ny fahasahiana nananana ary ny fanenjehana lalovana ka izao ahafahako mizara traikefa amin’ireo zandry sy tanora rehetra izao. »hoy ny Minisitra lefitra.
Velom-bolo ireo tanora tao SAMBAVA, miray feo amin’ireo tanora izay efa notsidihana, fa hifoha, handray andraikitra, hanatratra ny tanjona, hanova toe-tsaina ary vonona ny handroso. Vao santatra izao tohana ho an’ny tanora an’i Sambava izao fa mbola maro ny fiofanana sy ny fampitaovana omena ireo tanora mba hahatrarantsika ny veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina dia ny hananana Tanora mizaka tena.