FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FANDRIAMPAHALEMANA (JIP)

Notontosaina anio 21 Septambra 2021 tany Sambava ny « Journée Internationale de la Paix » na ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana.

Nisy ny diabe nanaovana fanamiana fotsy na ny « marche blanche » niarahan’ireo tanora sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny sivily sy miaramila.

Lohahevitra nentina nanamarihana izany ny hoe « Miara-mianko,hamorigny fiaraha-monina milamigny sy mifapitsinjo ».

Nandritra ny fankalazana no nanambaran’ ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora Ramatoa Juliana RATOVOSON fa : »raha tiana tokoa mantsy ny hanangana firenena vanona dia mila manangana tanora vanona sy vonona isika hametraka fiaraha-monina milamina sy mandry fahalemana. »

Satria ny Tanora no beazina ho mpandala ny filaminana na ny antsoina hoe « Youth Peace Builder »  izay fiaraha-miasa amin’ny #UNPBF ,#OIT, #UNICEF,#UNFPA sy ao anatin’ny tetikasa #PBF_Vanille dia nahazo fiofanana ireo tanora avy ao amin’ny kaominina Bemanevika,Ampohibe sy Antalaha ary nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ho azy ireo.

Nisy ny fitsidihana ireo trano heva nampiranty ny asa atao ho an’ny tanora izay nentina namaranana ny hetsika ny tapak’andro maraina .

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...