FITOKANANA NY I-TAFA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY.

Anio 31 Aogositra 2021 no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny ivon-toerana I-TAFA etsy Ambohijatovo ambony.

Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ramatoa Juliana RATOVOSON.

Ity ivon-toerana ity dia ahitana fitaovana toy ny: fitaovana informatika, ny zaitra, ny asa tanana toy ny tenona, ny fitaovana ao an-dakozia ahafahana mahandro; ireo fitaovana ireo dia afaka hindramin’ireo tanora misehatra amin’ny fandraharahana na koa azo faritana amin’ny hoe “outillothèque”.

Ahitana efitrano afaka hivorian’ny tanora ihany koa ny toerana. Noho izany dia misokatra ho an’ny tanora rehetra ny I-TAFA.

Ny fametrahana ny I-TAFA dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa TANOMAFY izay tohanan’ny  Peace buildings Funds (PBF).