FARITRA ANALANJIROFO : FITSIDIAM-PARITRA NOTANTERAHIN’NY MINISITRA LEFITRA MISAHANA NY TANORA.

Feno ny fandaharam-potoana nentina namaranana ny fidinana ifotony izay nataon-dRamatoa Juliana RATOVOSON, Minisitra lefitra misahana ny tanora tao Maroantsetra.

Nisy ny dinika niarahany tamin’ireo Ben’ny Tanana rehetra miisa 20 mandrafitra ny Distrikan’i Maroantsetra sy ireo fikambanam-behivavy 8 martsa ary ireo zanak’Alaotra Mangoro monina ao amin’ny Faritra.

Ary anisan’ny zava-dehibe ny nanokanany fotoana niarahana tamin’ny tanora, izay sambany ho an’ny tanora teo amin’ny Faritra Analanjirofo ny nahazo sehatra iresahana mivantana amin’ny Minisitra lefitra mpiahy ny tanora tahaka izao. Nivoaka ny hetahetan’ireo tanora, ny maharary azy ireo ary indrindra ny ezaka vitan’izy ireo. Naharitra ny fotoana ary hita fa

zava-dehibe ny dinika nifanaovana tamin’ireo tanora ireo.

Nampanantena ihany koa Ramatoa Ministra lefitra fa hiverina tsy ho ela, hanatsara ny tranoben’ny tanora sy hitondra ny fampitaovana amin’izany. Ary nanamafy ny fahavononany amin’ny fampiroboroboana ny tanora malagasy.

Tsy adinony ny nankasitraka an’ireo vahoakan’ny Maroantsetra, ny Governoran’ny Faritra Analanjirofo, ireo manam-pahefana sivily sy miaramila, indrindra ireo Tanora.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...