MAROANTSETRA : FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

Notanterahina omaly 26 Aogositra 2021 ny fankalazana Rezionaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora ho an’ny Faritra Analanjirofo.

An-kafaliana sy an-karavoana tanteraka no nandraisan’ireo tanora ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora Ramatoa Juliana RATOVOSON tamin’ny fahatongavany tao an-toerana hanotrona izany. Anisan’ny tonga nanome voninahitra ity fankalazana ity ireo manam-pahefana isan-tsokajiny tao an-toerana.

Maro ny hetsika nentina nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny TANORA, anisan’izany ny sora-dia, ny rodoben’nyTanora izay niarahana nisalahy tamin’ny Fitaleovam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao Analanjirofo sy ireo fikambanan’ny tanora maro samihafa.

Nandritra ny fandraisam-pitenana nataon-dRamatoa Minisitra lefitra no nanambarany fa manana tombony ny tanora satria tanora ireo mpitondra, miainga amin’ny Filoham-pirenena izay mbola ao anatin’ny fahatanorana ary ny tenany izay reny mpiahy no sady zokin’ny tanora. Ny tanora mahafantatra ny olana atrehin’ny tanora, ny tanora samy tanora no mahay mifampiresaka ary izany no isany nahatongavany tany an-toerana.

Nanentana ireo tanora tao Analanjirofo ny tenany araka izany hifanome tanana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.Teo ihany koa ny famporisihana azy ireo amin’ny fandraharahana mba ahafahan’izy ireo hamorona asa.

Nandritra ny fotoana dia nihaona mivantana tamin’ireo Tanora izy ary nandritra izany no nanambarany ny fahavononany hanatanteraka ny veliranon’ny Filoha ka tsy hisy distrika ho adino. Ho fampivelarana sy fanampiana ireo tanora dia ho laharam-pahamehana ny famahana ny olana eo amin’ny tsy fananan’ireo tanora asa.

Taorian’izany dia nisy ny fijerena ifotony ireo fotodrafitr’asa ho an’ny Tanora teny an-toerana.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...