ASIEF MAHAJANGA 2021: VALAN-DRESAKA HO AN’NY MPANAO GAZETY.

Notanterahina anio Alatsinainy faha 23 Aogositra 2021 tao amin’ny ANS Ampefiloha ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’ny ASIEF (Association Sportive interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires) mikasika ny fifaninanana andiany 2021 ho atao any Mahajanga ny 29 oktobra katramin’ny 07 novambra 2021.

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, MAMOD’ALI Hawel, Andriamatoa ANDRIAMALAZAVOLA Gaël Jacques, tale misahana ny DSSD (Direction du Sports Santé et Développement) eto anivon’ny Ministeran’ny ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Nandritry ny fandraisam-pitenenana nataony dia nisaotra an’Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina izy izay tsy nitsahatra nanome lanja sy nampiroborobo ny Fanatanjahantena sy tamin’ny fananganana fotodrafitr’asa ho an’ny Fanatanjahantena.Ary nisaotra ny Praiminisitra Andriamatoa Christian Ntsay, tamin’ny fanekeny ny fanovana sy fanatsarana ny rafitra misy afahana manohy izao hetsika ASIEF izao.

Ho hentitra ny fanarahamaso hoy ihany koa izy ho an’ity andiany 2021 ity. Ary noho ny valan’aretina misy dia hisy ny fanaraha-maso ny fepetra izay napetraky ny Governemanta ho an’ny mpanatrika sy mpilalao.

Tetsy ankilany ny mpitantana ny fikambanana Andrianarison Jean Aimé, dia nanentana ny mpiasam-panjakana hanaja sy hanaraka ny fepetra rehetra napetraka. Nisaotra an’Andriamatoa Minisitra ihany koa izy amin’ny fahavononana hampiakatra ambony ny Fanatanjahantena eo anivon’ny mpiasam-panjakana.

Araka ny fandaminana dia miankina amin’ny Ministera mandray anjara ny taranja izay ho atao any Mahajanga. Raha latsaky ny telo (3) ny ministera mandray anjara amin’ny taranja iray dia tsy ho asiana izany taranja izany.

Ny zava-baovao amin’ity andiany 2021 ity dia ny fampidirana ny mpiasam-panjakana manana fahasembanana ao anaty lalao mba hampitoviana lenta eo amin’ny samy mpiasam-panjakana.