FANANGANAN-TSAINA VOALOHANY NIARAHANA TAMIN’NY MINISITRA VAOVAO.

Tanteraka androany Alatsinainy 23 Aogositra 2021 ny fananganan-tsaina voalohany teto anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tao aorian’ny nitsanganan’ny Governemanta vaovao sy ny nandraisan’Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel ny toerany amin’ny maha Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena azy.

Nitondra teny firariantsoa ho an’Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-miasa rehetra ny Sekretera Jeneraly eto anivon’ny Ministera ary nanamafy fa miverina miasa ara-dàlana ny mpiasa rehetra fa ao anatin’ny fanajàna tanteraka ny fepetra ara-pahasalamana.

Nandritry ny fandraisam-pitenenana izay nataon’Andriamatoa Minisitra no nanambarany fa anisan’ny

Ministera manana « image » tsara ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary vonona izy ny hiara-hiasa amin’ny rehetra ho fampandrosoana ny Ministera sy ny mba hanatanterahana ireo velirano napetraky ny Filoham-pirenena.

Nanafatra ny mpiara-miasa ihany koa ny Minisitra ny amin’ny tokony hanajana ny ora fidirana sy ny fanatanterahana amin’ny an-tsakany sy an-davany ny asa rehetra. Ny asa androany hoy izy dia tsy maintsy vitaina androany. Farany dia nanamafy ny tenany fa misokatra ho an’ny rehetra ny varavarany, ary vonona ny hiara-hiasa amin’ny rehetra izy.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...