FIFANINANANA TSIPY KANETIBE « GRAND OPEN ANALAMANGA »

Taorian’ny fitokanana ny kianja manarapenitra filalaovana tsipy kanetibe ” FITARATRA 2023″, tao Tongarivo, kaomina Tanjombato, ny zoma lasa teo dia nisy avy hatrany ny fifaninanana “Festival de Pétanque Grand Open Analamanga”.

Niisa 252 ireo ekipa olona telo miaraka na “triplettes” nandray anjara tamin’ny fifaninanana izay avy any amin’ny lafivalon’ny Nosy.

Notanterahina androany Alahady 22 Aogositra 2021 ny lalao famaranana ity fifaninanana ity ka tonga nanome voninahitra izany Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Governoran’ ny Faritra Anlamanga, ny Solombavambahoakan’Atsimondrano, sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.

Ny Minisitra no nanokatra ny lalao famaranana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny fanipazana ny “bouchon”, ary nitso-drano ny mpilalao rehetra.

Taorian’ny fifaninanana dia nisy ny fizarana ireo loka ho an’ny mpandresy.