COMESA: ANDRO FAHATELO FAMARANANA NY FIVORIAN’IREO TEKNISIANA AMBONY MISAHANA NY TANORA

Nifarana anio 16 Jona 2021 raha naharitra hateloana, ny atrikasa virtoaly niarahan’ireo teknisiana ambony misahana ny Tanora anatin’ny firenena 21 mpikambana amin’ny COMESA. Androany no nitondrana fandravonana ireo tatitra rehetra avy @ firenena tsirairay izay tsiahivina fa miompana amin’ireo politika sy paikady mifehy ny tanora, ny fampandrosoana sy ny fampananan’asa ny tanora.

Ny tatitra izay nolanian’ireo Firenena mpikambana androany moa dia hakàna fankatoavan’ireo Minisitra mandritra ny Filankevitry ny Minisitra eto anivon’ny COMESA izay hatao amin’ny faha 22 Jona 2021.

Rehefa izany dia niroso tamin’ny fanakatonana amin’ny fomba ofisialy ny Filoha no sady Tale Jeneraly misahana ny Tanora eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ramatoa Juliana RATOVOSON ka nitondra ny teny fisaorana ho an’ny firenena nandray anjara rehetra.

COMESA : 3EME ET DERNIERE JOURNEE DE LA REUNION VIRTUELLE DES EXPERTS ET TECHNICIENS DE LA JEUNESSE

La clôture de la réunion virtuelle, qui a duré trois jours, avec les experts et techniciens de la jeunesse dans 21 pays membres du COMESA a eu lieu aujourd’hui, le 16 juin. La compilation de tous les rapports de chaque pays qui sont axés sur les politiques et stratégies régissant la jeunesse, le développement des jeunes et l’emploi des jeunes a été l’ordre du jour.

Le rapport adopté par les États membres aujourd’hui sera approuvé par les ministres à l’occasion du Conseil des ministres du COMESA qui se tiendra le 22 juin 2021.

Ainsi, la Présidente et à la fois Directeur Général de la Jeunesse auprès du Ministère de la Jeunesse et des Sports de Madagascar, Mme Juliana RATOVOSON, a procédé à la clôture officielle et n’a pas manqué a remercié chaleureusement tous les pays participants.