Fametrahana ireo ben’ny tanana ao amin’ny Kaominin’i Ejeda

Tsy andavanandro,tsy Alahady,miasa hatrany ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny Faritanin’i Toliara, Atoa TINOKA Roberto,manatanteraka ireo asa ankinina aminy.

Nihazo ny Kaominin’i Ejeda,ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny Faritanin’i Toliara, Atoa TINOKA Roberto,anio 08/11/20.Nandritra ity fitsidihana ity no nampisalorana samboady an’ireo Ben’ny tanàna mandrafitra ny distrikan’i Ampanihy,izay tohin’ny iraka nataony hatry omaly (07/11/20).Tsy nataony sakana ity andro izay tokony hialana sasatra fa dia tonga teto soamantsara ny tenany manatanteraka ny adidy izay iantsorohany.

manova famindra isika ho fampandrosoana ny tanàna hoy andriamatoa minisitra nandritra ny lahateniny,koa takiana amin’izany ny fitantanana madio sy mangaraharana ary ny fitsinjovana ny vahoaka, porofon’izany ny anirahan’ny fitondrana ny tenany manao fidinana ifotony izao.

Nanolotra baolina sy maillot ho fampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny fampivoarana ny tanora,izay anisan’ny veliranon’ny Filoham-pirenena ankehitriny, ihany koa ny tenany.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...