Nihaona mivantana tamin’ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena,Atoa TINOKA Roberto,anio 05/11/20, tetsy amin’ny toeram-piasany,Ambohijatovo, ny mpanazatra ny ekipa nasionaly Barea,Atoa DUPUIS Nicolas.Lahadinika nandritra an’izany ny fanamafisana ireo asa efa niarahana hatramin’izay herinandro maro lasa izay,mahakasika ny fiatrehana ny tohin’ny fifaninana hiatrehana ny CAN.
Tapaka nandritra an’ity fihaonana ity ny fanatanterahana ireo fihaonana indroa miantohana amin-dry zareo Ivorianina izay ho tanterahina amin’ny faha 12 novembre any Abidjan sy 17 novembre 2020 izao ao Toamasina,araka ny fandahara-potoana navoakan’ny CAF.Nanome toky andrimatoa Minisitra fa tsy hamela an’ny Barea handeha irery tsy hisy mpiahy ary ho eo akaikin’ny tanora sy hampiroborobo ny fanatanjahanetna hatrany araky ny fanamby izay apetraky ny fitondrana ankehitriny.
Alefa Madagasikara
Isika rehetra miara-manohana ny Barea