Fanamafisana ny fiaraha miasa eo amin’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara sy ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanantajahantena

Nihaona mivantana tamin’ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena,Atoa TINOKA Roberto,anio 05/11/20, tetsy amin’ny toeram-piasany,Ambohijatovo, ny mpanazatra ny ekipa nasionaly Barea,Atoa DUPUIS Nicolas.Lahadinika nandritra an’izany ny fanamafisana ireo asa efa niarahana hatramin’izay herinandro maro lasa izay,mahakasika ny fiatrehana ny tohin’ny fifaninana hiatrehana ny CAN.

Tapaka nandritra an’ity fihaonana ity ny fanatanterahana ireo fihaonana indroa miantohana amin-dry zareo Ivorianina izay ho tanterahina amin’ny faha 12 novembre any Abidjan sy 17 novembre 2020 izao ao Toamasina,araka ny fandahara-potoana navoakan’ny CAF.Nanome toky andrimatoa Minisitra fa tsy hamela an’ny Barea handeha irery tsy hisy mpiahy ary ho eo akaikin’ny tanora sy hampiroborobo ny fanatanjahanetna hatrany araky ny fanamby izay apetraky ny fitondrana ankehitriny.

Alefa Madagasikara

Isika rehetra miara-manohana ny Barea

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...