Tsy sakana hanatanterahana ireo velirano nataon’ny Filoham-pirenena ny hamehana ara-pahasalamana iainantsika ankehitriny.
Porofon’izany,dia nidina nijery ifotony ny zava misy mahakasika ny fefy loha ny renirano Fiherena ireo mpikambana ao governemanta izay avy nanatanteraka fivoriana mahakasika ny teti-bolam-panjakana amin’ny taona 2021, Atoa TINOKA Roberto, sy Atoa Richard RANDRIAMANDRATO.
Rariny sy hitsiny ny nataon’ny Minisitra mpiahy ny Faritanin’i Toliara (Atoa TINOKA Roberto) raha nitondra an’ity tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanan’ny vola, hijery ny zava – misy marina mahakasika an’ity fefy loha ity satria anisany niteraka voina mafy hoan’ny mponin’i Toliara tamin’ny taona maro lasa izay. Tapaka arak’izany fa hatomboka amin’ny faran’ity volona ity ny fanamboarana ireo asa maika mahakasika ny simba rehetra amin’ity fefy loha ity (travaux d’urgence) mba hitsinjovana ireo tantsaha sy ny vokatra rehetra amin’ny mety ho fiakaran’ny renirano.
«Tsy ho fara-gidro sasy Toliara» hoy Atoa TINOKA Roberto ,izay Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny faritanin’i Toliara.
Diplomasia ara-panatanjahantena: Minisitra Marson Moustapha Abdulah tao amin’ny Foara Fanatanjahantena Iraisam-pirenena tany Ejipta
Le Ministre de la Jeunesse et des Sports de Madagascar, Marson Moustapha Abdulah, a honoré de sa présence l’ouverture du Salon International du Sport en Égypte, c'était hier matin en présence du Premier Ministre égyptien, Moustapha Madbouli, et du Ministre...







