
Ho fampiharana ny fandaharanasa « Pôle emploi Jeune » izay paikady novolavolaina hanatanterahana ny « Veliranon’ny Tanora ho amin’ny Emergence » dia navondrona ho centre des jeunes ireo tanora mpanjono rehetra ato amin’ny Kaominina Ankatafana Distrikan’i Mananjary.Ity no drafitrasa ahafahan’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena miahy sy manohana azy ireo.Samy niara-niaiky an’ity lamina ity ireo rehetra voakasik’izany,tonga nidina ifotony nijery sy nihaona tamin’ireto tanora ireto ny delegasiona notarihin’ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora.Nandritr’ity fihaonana ity ihany koa no nanolorana ireo fanampiana hahafahan’izy ireo misehatra avy hatrany.