Fifanaovan-tsonia teo amin’ny MJS sy BNI Madagascar

Tontosa androany 04/12/20,tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena tetsy Mahamasina ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny Minisitera ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny banky BNI Madagascar.Fifanaovan-tsonia izay manamafy ny fifandraisana sy ny fiaraha miasa efa nisy teo aloha.

Hahazo tombony amin’izany ireo tetikasan’ny Minisitera miompana amin’ny sehatrin’ny fampandrosoana ny tanora sy ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena .Nasongadina manokana ny fanohanana amin’ny fitadiavana ireo taniketsan’ny fanatanjahantena eto Madagasikara.Hisy ihany koa ny fanentanana ireo mpiasa eo anivon’ny Minisitera ny Tanora sy Fanatanjahantena mba hanjifa ny tolotra ao amin’ny BNI Madagascar noho ireo tombotsoa maro azo sitrahana ao aminy.