Filankevitra ifotony an’ireo tanora amin’ny handrafetana ny« Stratejia nasionaly ny tanora »

Nanatanteraka fakan-kevitra ho fandrafetana ny paikadim-pirenena mifandraika amin’ny veliranon’ny tanora tamin’ireo renivohi-paritra Atsinanana sy Boeny ny Ministera ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Ny zava-misy eny ifotony, ny olana, ny harena ananan’ny faritra Boeny sy Atsinanana, ny andraikitra sy ny tohana ho an’ny tanora: ireo no isan’ny teboka nisongadina tamin’ny fihaonana ka nanoloran’izy ireo ny soso-kevitra sy volavolan’asa ho an’ny taona 2021 – 2023.

Fanamby efa nataon’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena ny fampandraisana anjara mivantana ny drafitr’asa miantefa amin’ny tanora mba tena izy ireo no handrafitra izany fa tsy ho mpisitraka fotsiny ihany. Izany no tanjonina dia ny hahatonga ny fizakantenan’ny tanora mba hananan ‘izy ireo ny traik’efa rehetra amin’ny fandraisan’anjara amin’ny fampandrosoana ny tenany, ny tanora namany, ny fiarahamonina misy azy ary ny firenena manontolo. Hotanterahina manerana an’i Madagasikara ity fakan-kevitra ity mba ahafahana mandrafitra ny « Stratejia nasionaly ny tanora » entina indrindra hanatanterahina ireo veliranon’ny tanora miainga eny ifotony.