Fanombohan’ny asa fananganana dobo filomanosana vaovao ao Toliara

Nanomboka ny  21/11/20 ny asa fananganana ilay dobo filomanosana ôlimpika eto Toliara izay mahazaka mpijery 4000.Tonga nanatrika an’izany ny Minisitry ny tanora sy fanatanjahantena,Atoa TINOKA Roberto.Tsara ho fantatra fa hisy toerana afahana manao fanazara-tena amin’ny taranja tolona ihany koa no haorina ato anatin’ity foto-drafitrasa ity.

Samy resy lahatra ireo olom-boafidy sy ireo olon-tsotra tonga tety fa tena ilaina sy anisany hampisongodina ireo atleta avy aty amin’ity faritra ity izao foto-drafitrasa izao