Vita ny fiofanana ireo tanora Mpanabe ZAMIOVA 16 tao amin’ny faritra Androy izay notarian’ny Tale jeneraly ny tanora eo anivon’ny Ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena Ramatoa RATOVOSON Juliana. Avy hatrany ireo tanora nahazo fiofanana ireo dia nanofana tanora 160 « LEADERS », nampianatra ny fampiasana ny passeport »Vikina ho an’ny zatovo » izay misy ny dingana rehetra mila arahina hahatonga ho Leader mahomby na eo amin’ny toetra sy ny fitondran-tena ary ny fandraisana andraikitra. Ny faritra Anôsy sy Androy no nanaovana andrana ity tetikasa ZAMIOVA ity ary hisitraka izany kosa ny tanora erak’i Madagasikara amin’ny Taona 2021.
MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA
Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...








