ZAMIOVA: Tetikasa famolavolana tanora mpitarika sy tomponandraikitra.

Vita ny fiofanana ireo tanora Mpanabe ZAMIOVA 16 tao amin’ny faritra Androy izay notarian’ny Tale jeneraly ny tanora eo anivon’ny Ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena Ramatoa RATOVOSON Juliana. Avy hatrany ireo tanora nahazo fiofanana ireo dia nanofana tanora 160 « LEADERS », nampianatra ny fampiasana ny passeport »Vikina ho an’ny zatovo » izay misy ny dingana rehetra mila arahina hahatonga ho Leader mahomby na eo amin’ny toetra sy ny fitondran-tena ary ny fandraisana andraikitra. Ny faritra Anôsy sy Androy no nanaovana andrana ity tetikasa ZAMIOVA ity ary hisitraka izany kosa ny tanora erak’i Madagasikara amin’ny Taona 2021.

Autre Articles

Fifaninanana Robotika

Fifaninanana Robotika

Nahafaly ahy ny nandray ireo tanora 7 hisolo tena an'i Madagasikara any Estonie amin'ny Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny Robotika. Isaorana ny Stem 4 Good izay nampiray ireto tanora avy amin'ny faritra isan-karazany eto Madagasikara. Hanampy azy ireo ny...

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

Tontosa anio 15 Oktobra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa eo amin'ny Malagasy RUGBY sy ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo...