« YouthConnekt Madagasikara Fanoitra »

Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena mahakasika ny fandaharan’asa « YouthConnekt Madagasikara Fanoitra » izay sehatra iray ampivondronana ny tanora mpiantsehatra amin’ny fandraharahana sy ireo tantsoroka mampivoatra. Ity fandaharan’asa Youthconnekt iaraha-miasa amin’ny Pnud Madagascar ity dia manome lanja ny fandraharahana sy ny fampananan’asa ho an’ny tanora, ny fampiofanana sy ny fahaiza-manao, ny fifaninana sy fanohanana ireo tetikasa mendrika, ary ny fanomezana lanja ny fizakan-tenan’ny tanora. Raha tsiahivina dia tetikasan’ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame ny « youthconnekt » izay efa miparitaka manerana ny Afrika ankehitriny. Isika eto Madagasikara dia hampihatra ny « Youthconnekt Madagasikara Fanoitra » izay eo ambany fitarihin’Atoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

KIANJA BAREA MAHAMASINA

KIANJA BAREA MAHAMASINA

Antsika Malagasy rehetra manerana an'i Madagasikara ny Kianja BAREA. Tokony ho saro-piaro isika amin’ny fitandroana ity fotodrafitrasa lehibe ity, satria sady fananana iombonana ny Kianja BAREA no sady fananam-pirenena. Io no kianja hiarovana ny voninahi-pirenena,...

FAHATONGAVAN’I SAMUEL ETO’O ETO MADAGASIKARA

FAHATONGAVAN’I SAMUEL ETO’O ETO MADAGASIKARA

Anio 01 septambra 2021 no  nigadona eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ilay kitan'ny Baolina kitra kameroniana fanta-daza maneran-tany tao amin'ny klioba FC Barcelone sy Lions Indomptables  Samuel Eto'o izay ny Filoham-pirenena no nanasa manokana azy ho...