« YouthConnekt Madagasikara Fanoitra »

Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena mahakasika ny fandaharan’asa « YouthConnekt Madagasikara Fanoitra » izay sehatra iray ampivondronana ny tanora mpiantsehatra amin’ny fandraharahana sy ireo tantsoroka mampivoatra. Ity fandaharan’asa Youthconnekt iaraha-miasa amin’ny Pnud Madagascar ity dia manome lanja ny fandraharahana sy ny fampananan’asa ho an’ny tanora, ny fampiofanana sy ny fahaiza-manao, ny fifaninana sy fanohanana ireo tetikasa mendrika, ary ny fanomezana lanja ny fizakan-tenan’ny tanora. Raha tsiahivina dia tetikasan’ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame ny « youthconnekt » izay efa miparitaka manerana ny Afrika ankehitriny. Isika eto Madagasikara dia hampihatra ny « Youthconnekt Madagasikara Fanoitra » izay eo ambany fitarihin’Atoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...