Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena mahakasika ny fandaharan’asa « YouthConnekt Madagasikara Fanoitra » izay sehatra iray ampivondronana ny tanora mpiantsehatra amin’ny fandraharahana sy ireo tantsoroka mampivoatra. Ity fandaharan’asa Youthconnekt iaraha-miasa amin’ny Pnud Madagascar ity dia manome lanja ny fandraharahana sy ny fampananan’asa ho an’ny tanora, ny fampiofanana sy ny fahaiza-manao, ny fifaninana sy fanohanana ireo tetikasa mendrika, ary ny fanomezana lanja ny fizakan-tenan’ny tanora. Raha tsiahivina dia tetikasan’ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame ny « youthconnekt » izay efa miparitaka manerana ny Afrika ankehitriny. Isika eto Madagasikara dia hampihatra ny « Youthconnekt Madagasikara Fanoitra » izay eo ambany fitarihin’Atoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Appel à candidature pour le FIJEV Forum International Jeunesse et Emploi Vert 2019
Le FIJEV ou Forum International Jeunesse et Emploi Vert est un rendez-vous international pour promouvoir le dialogue et les échanges sur les enjeux de l’économie verte et particulièrement en ce qui concerne la création d’emploi pour les jeunes. Le Ministère de la...








