Tanora mpandraharaha sy tanora manana tetikasa maro avy eto Antananarivo sy avy eny amin’ny Faritra no tonga nampiranty ny asan’izy ireo nandritra ny hetsika YouthConnekt natao tao amin’ny Novotel ny 30, 31 oktobra 2020. Manan-talenta ny tanora malagasy ary mendrika fanohanana hatrany ny ezaka ataon’izy ireo. Izay indrindra ny antony hanatanterahantsika ny Programa YouthConnekt eto Madagasikara izay isaorana an’Atoa Minisitra TINOKA Roberto satria dia mampifandray ny tanora amin’ireo tantsoroka mampivoatra rehetra ny YouthConnekt.
MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA
Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...








