Tanora mpandraharaha sy tanora manana tetikasa maro avy eto Antananarivo sy avy eny amin’ny Faritra no tonga nampiranty ny asan’izy ireo nandritra ny hetsika YouthConnekt natao tao amin’ny Novotel ny 30, 31 oktobra 2020. Manan-talenta ny tanora malagasy ary mendrika fanohanana hatrany ny ezaka ataon’izy ireo. Izay indrindra ny antony hanatanterahantsika ny Programa YouthConnekt eto Madagasikara izay isaorana an’Atoa Minisitra TINOKA Roberto satria dia mampifandray ny tanora amin’ireo tantsoroka mampivoatra rehetra ny YouthConnekt.
MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA
Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...








