VALAN-DRESAKA MAHAKASIKA NY FIFANINANANA ADY SISIKA HO AN’NY TANORA

Nanatanteraka valan-dresaka tao amin’ny Le Centell Hôtel & Spa omaly 10 Septambra 2021 ny Ministra lefitra misahana ny Tanora, Ramatoa Juliana RATOVOSON, mahakasika ny fifaninanana ady sisika na « concours de plaidoyer » ho an’ny fisitrahan’ny Tanora ny zony amin’ny fahasalamana, indrindra ny amin’ny fandrindram-piterahana.

Raki-tsary 3 minitra no hitondran’ny Tanora ny feony, manentana sy mamporisika ireo Tanora namany ny amin’ny fandrindram-piterahana.

Araho ao amin’ny pejy facebook « concours de plaidoyer FGE à Madagascar » ny andinindininy.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...